Nitrangana vaky fasana tany Androhimainty, fokontany Antranoroa, kaominina Soavinandriana, omaly. Mpiandry omby sendra namerina omby no nahita ny fasana efa nisokatra ka niantso tomponandraikitra avy hatrany. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny avy amin’ny polisim-pirenena. Voamarina nandritra izany fa razana 23 no very sy lasan’ireo olon-dratsy.
Olona telo mianaka maty latsaka tao anaty rano, tao amin’ny tetezana Fotsy Betainomby Tsarahonenana, omaly atoandro tamin’ny 2 ora. Tonga namonjy ireo olona niharam-boina ireo ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina taorian’ny antso. Efa vatana mangatsiaka tsy nisy aina intsony ny azo tao. Efa nampandresina ny fianakaviana.
Miantso ny hampiakarana sy hanafainganana ny raharaha fanapoizinana niseho tetsy Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo, ny fianakavian’ny maty. Tsy mbola nahitam-baliny ny fanadihadiana hatramin’izao ary heverina toy ny matimaty foana ny havan’izy ireo, raha ny nambaran’izy ireo. Marihina fa efa tafakatra 36 ny maty tamin’iny raharaha iny. Mbola misy kosa ireo marary manaraka fitsaboana hatramin’izao.
Lehilahy iray tratra nangalatra hena tao amin’ ny tsenan’ny Alakamisy Ambositra omaly. Mody misisika ao anaty olona mividy hena izy ary mibata moramora ny hena eo ambony latabatra. Tratra izy ary novonoin’ny olona teo. Efa natolotra ny sefo fokontany avy eo.




