Chan 2024 – « prize money »: Singa telo no nampihena izany

Nivoaka tamin’ny fahanginany Rabemanantsoa Benja­min, filohan’ny delegasionina Barea, nandritra ny “Chan 2024”, sady komity mpanatanteraka (CE) anivon’ny Fede­rasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nohazavainy, omaly, tetsy Isoraka, fa singa telo no nanesoran’ny Kaon­federasiona afrikanina an’ilay vola “prize money” mitentina 1,2 tapitrisa dolara.
Raha ny nambarany, nalain’ny Caf tamin’io vola io, tany am-potony, avokoa ireto zavatra telo ireto: voalohany, ny saran’ny fandefasana ny lalaon’ny Barea nandritra ny fifanintsanana tamin’ny haino aman-jery. Manaraka izany ny resaka lamandy tamin’ny “Chan 2024”, ary farany, ny vidin’ny baolina Puma.
Nomarihin’ity mpikambana anivon’ny CE an’ny FMF ity, fa efa nahazo fankasitrahana sahady tany amin’ny sekretera jeneralin’ny Caf ny fomba fizarana an’io “prize money” io, ary hita ao amin’ny pejin’ny FMF ny porofon’izany. No­tsiahiviny fa efa fantatry ny mpilalao avokoa ilay fomba fizarana: 40 % ho an’ny Federasionina ary ny 60% ho an’ireo Malagasy mpilalao sy ny Staff.

Fitia Randria

Partager sur: