Tsy nahitana fiovana firy ny tanjak’ilay rivodoza Chenge tato anatin’ny 24 ora. Vinavinaina ho voatazona ny tanjaka tempête tropicale moderée mandritra ny telo na efatra andro manaraka. Hihena miandalana kosa ny heriny aorian’izay satria hikorontana ny tontolo hivoarany. Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara izy raha ny vinavina lavitra. Na izany aza dia hitondra rotsakorana amin’ny tapany avaratry ny Nosy iny izy amin’ny faran’ny herinandro.
Taorian’ny fivoriana notarihin’ny filohan’ny Oniversiten’Antananarivo, miverina amin’ny laoniny ny asa aman-draharaha rehetra eo anivon’ny oniversiten’Antananarivo. Fivoriana niarahana tamin’ny sojaben’ny Fakiolte, ny talen’ny sekoly ambony, ny filohan’ny Seces Sampana Antananarivo, ny filohan’ny Spatut Antananarivo ary ny filohan’ireo fikambanan’ny mpianatra. Mitohy ny fampianarana ho famaranana ny taom-pianarana 2024–2025. Ny sampam-pianarana tsirairay avy kosa no handamina ny tetiandrony manokana, araka ny fepetra sy ny fandaminana anatiny.
Tsy mbola niverina ny fampianarana teny amin’ny sekoly miankina amin’ny fanjakana sasany, ka nalefa nody fotsiny ny mpianatra satria mbola mitokona ny mpanabe. Miandry ny fivalian’ny fitakiana izy ireo vao hanohy ny asa, araka ny fanazavana voaray.




