Manomboka miakatra ny voankazo. Ny manga sy ny frezy no betsaka eny an-tsena, amin’izao. Mila ampitomboina ny fahadiovana amin’ny fanasana azy ireny mba tsy hiteraka aretina hafa, indrindra amin’ny ankizy, raha ny torohevitry ny dokotera misahana manokana ny ankizy sy ny zaza noresahina.
Sasana madio sy azo antoka, ny voankazo vao hohanina na hahodina ho ranom-boankazo. Mitahiry bibikely sy karazana fanafody afendraka hamonoana bibikely ny frezy ka tena saro-pady ho an’ny fahasalamana. Lomana amin’ny rano madio imbetsaka hialan’ny bibikely sy ny akora simika ateraky ny fanafody biby izay vao tokony hohanina.
Toraka izany koa ny manga, izay tian’ny lalitra ary iparitahan’ny loto maro eny an-tsena. Mila sasana madio ary esorina ny dity aminy vao hohanina sy karakaraina ho an’ny zaza sy ny ankizy.
Mila mailo amin’ny fikarakarana izany ny eny amin’ireo toerana fivarotra ranom-boankazo. Tokony ho azo antoka ny rano sy ny fahadiovan’ny voankazo ahodina vao sotroina. Tsara kokoa, araka izany, ny manamboatra any an-trano satria saro-pady ny fahasalamana.
Tatiana A




