Sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana: Mangataka « indemnité » sy fandraisana mpiasa vaovao

Misy ny fitakiana fohy ezaka nataon’ny mpiasan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, amin’ny alalan’ny sendikà Triade, izay nampahafantarina ny Filoham-panjakana.

Nanao tatitra ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana ny sendikàn’ny mpiasan’ny fahasalamana (mpitsabo, paramédicaux ary mpandraharaha) Triade, oma­ly, teny Ambohidahy, nandritra ny fananganan-tsaina. Andrai­kitra ifampizarana ny fanarenana sy ny fanovana apetraka ka manentana ny mpiasa rehetra hanohana ny fitondrana mijoro ankehitriny ny sendikà. « Noho ny fangatahan’ny filoham-panjakana, naato alo­ha ny fitakiana fa tsy mijanona velively », hoy ny filoha lefitry ny fiombonan’ny sendikà, Armand Frédéric. Miandry ny fihaonana manaraka sy ny fanendrena ny minisitra vaovao handray ny fitantanana izany. Efa nisy ny fifampiresahana tamin’ny mpitantana vaovao fa tsy mbola tonga amin’ny famahana ny olana samihafa hatreto. Mangataka fihaonana amin’ny Filoham-panjakana ny Triade hanazavana ny tolona ataon’ny mpiasan’ny fahasalamana. Tsy tokony handray anjara amin’ny fitantanana ny minisitera intsony, hoy izy ireo, ny ekipa teo aloha satria nizaka antsojay tena mafy ny mpiasa. Nisy ny namoy ny ainy vokatr’izany ary tsy latsaky ny 15 ireo mpiasa niakatra fitsarana, araka ny fanazavan’ny sekretera jeneralin’ny Triade, An­drian­kinana Tsialofana.
Sendikà efa niasa am-polo taona ireo telo nivondrona ao amin’ny sendikà Triade. Marobe ny olana efa voaangona ary nisy ny soso-kevitra hamahana izany naroso teny anivon’ny fitondram-panjakana. Tsy vahaolana intsony, noho izany, ny loabary an-dasy fa fanatanterahana no ilaina. Anisan’ny takin’ny sendikà ny fampiakarana ny « indemnité de logement » ho 400 000 Ar, « indemnité de risque » 300 000 Ar. Ilaina koa ny fampitomboana ny mpiasa. Rehefa nanao fitakiana ny Interne sy ny Interne qualifiant ka nampiato ny asa dia sahirana ny hopitaly. Toy izany koa no niseho any amin’ny faritra rehefa nanao fitokonana ireo mpilatsaka an-tsitrapo.

Vonjy

Partager sur: