SOMBIM-BAOVAO

Seksionina miisa efatra indray no nahavita ny fanavaozana ny mpitantana azy ho an’ny taranja basikety. Ny seksionina Ambohidratrimo ao anatin’ny ligin’Analamanga, ny seksionina Manakara ao anatin’ny ligy Fitovinany. Miampy ny seksionina Vangaindrano ao amin’ny ligy Atsimo Atsinanana sy ny seksionina Brickaville, ao amin’ny ligy Atsinanana.

Tsy mbola misy fiovana, hatreto, ny fandaharam-potoana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, izay hatao eto Madagasikara, ny volana desambra izao, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasionina malagasin’ny basikety, Ramaroson Jean Michel. Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanomanana sy ny fikarakarana ary tsy mbola nandefa fampitam-baovao hafa ny eo anivon’ny Fiba Afrika, raha ny fanazavana.

Voahosotra ho tompondaka maneran-tany amin’ny taranja baolina kitra, sokajy U20, i Maroc. Resiny teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava 2 no ho 0, i Argentine. Fihaonana notanterahina ny alahady teo, tao amin’ny Kianjan’i Chili. Nampiditra ireo baolina roa ireo i Yassir Zabiri, tamin’ny alalan’ny “coup franc”. Teo amin’ny minitra faha-12 sy ny minitra faha-28 no nahatafidirany izany.

Partager sur: