“Battle for Africa”: Hiatrika ny ady miverina i Jerry

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Maorisy, ny andiany voalohany tamin’ilay fifaninanana “Battle for Africa”, taranja Muay thai. Nandray anjara tamin’izany i Madaga­sikara, tamin’ny alalan’i Jaomboto Jerry Edino, sokajy latsaky ny 60 kg, lehilahy sy Rasoanirina Olga, sokajy latsaky ny 60 kg, vehivavy. Teo amin’ny sokajy lehilahy, nandresy ilay Maorisiana nifanandrina taminy i Jerry rehefa “disqualifié” tamin’ny fihodinana faharoa ny mpifaninana taminy. Nahazo ny tapakila hiatrehina ny andiany faharoa amin’ny “Battle for Africa”, izay mety hatao eto Madagasikara, amin’ny herintaona, araka izany, i Jerry. Tetsy ankilany, resin’ilay teratany Afrikanina Tatsimo, i Verne Prinsloo, ny solontena malagasy Rasoanirina Olga. Tapitra hatreto izany ho azy ny lalana amin’ny fiadiana ilay “ceinture WMC”. Nambaran’ny Maître Razanajatovo Gildas fa nahavita dingana tsara ireto solontena malagasy ireto. Tena niady mafy tamin’ny fiarovana ny voninahi-pirenena izy ireo. Vonona hanarina sy hampitombo ny fahaiza-manaony i Jerry amin’io ady miverina hatao amin’ny taona 2026 io.

Mi.Raz

Partager sur: