Prize money – Barea: «Efa milamina avokoa», hoy ny federasionina

Raha ny fanampim-baovao voaray farany avy amin’ny mpitantana eo anivon’ny Fe­derasionina malagasin’ny bao­lina kitra, tarihin’Andria­manampisoa Alfred dia efa milamina tanteraka ny fizarana ilay “prize money” ho an’ny delegasionina malagasy, nandray anjara tamin’ny fifaninanana Chan 2024. Samy nahazo ny anjarany na ny FMF, na ny mpilalao. Nitontaly 45 ny isan’ireo nisitraka ny volabe, tambin’ny herim-po nasehon’ny mpilalao. Tsiahivina fa nisitraka 61,8 Tapitrisa Ariary avokoa ny mpilalao tsirairay. Izay nitotaly ho 60 % ny volabe nitentina 1 100 000 dolara, nifampizarana. Marihina fa ny federasionina no nisitraka ny 40 % tamin’izany. Vola izay entina hampiroboroboana ny taranja eto Madagasikara.
Anisan’ny nampimenomenona ny mpilalao sy ny mpisintona lakolosy tao anatin’ny andro vitsivitsy ny fizarana ny vola, andaniny. Ilay fahabangana 100000 dolara tamin’ny totalin’ny vola 1 200 000 dolara, ankilany. Mazava anefa ny fanazavana avy amin’ny tomponandraikitra fa mazava sy mangaraharaha ny fizarana sy ny nakana ilay ampaham-bola. Nisy tamin’ny vola no nentina nanonerana ny saran’ny fifanintsanana tamin’ny taon-dasa, nisy ny lamandy isan-karazany izya efa notapahan’ny Kaonfederasionina afrikanin’ny taranja baolina kitra avy hatrany.

Randria

Partager sur: