Rugby– “Africa Women’s Tournament” : Iray vondrona amin’i Tunisie sy i Egypte ny Makis Ladies

Hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika amin’ny rugby lalaovin’olona 7 indray ny Makis ladies. Hiady ny tapakila hiatrehana ny World Challenger Series izy ireo. Ekipa magrebianina roa no miray vondrona amin’ny Malagasy dia i Tunisie sy ry zareo Egyptianina.

Raha tsy misy ny fiovana, hotanterahina any Nai­robia, Kenya, ny 15 sy 16 novambra ho avy izao, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja rugby, sokajy vehivavy “Africa Women’s Tournament”. Lalao ho an’olona 7 izy ity. Anisan’ireo handray anjara amin’izany ny Makis Ladies. Ao amin’ny vondrona “D”, miaraka amin’i Tunisie sy i Egypte, no misy azy. Raha ny fihaonana nikatrohan’ny ekipa hatramin’izay, tsy mbola nandresy ny tovovavy malagasy aloha i Tunisie, raha tsy mbola nihaona tamin’ny Makis Ladies kosa ny Faraônan’i Egypte. Heverin’ny rehetra fa tsy hahasakana ny Malagasy ireto ekipa magrebianina ireto, amin’ity.

Tsiahivina fa miisa 12 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany. Ao amin’ny vondrona “A”, misy an’i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe ary i Maurice. Ny sokajy “B” iarahan’i Kenya sy i Ghana ary i Côte d’Ivoire. Ta­faraka ao amin’ny “C” i Ou­ganda sy i Zambia ary i Bur­kina Faso.
Mifandimby mihaona ny ekipa isam-bondrona ka tafita miatrika ny manasa-dalana izay voalohany manana isa betsaka indrindra. Heverin’ny rehetra fa hiendrika famaranana kely ny fihaonan’i Afrika Atsimo sy i Zimbabwe, izay hiady ny toerana voalohany. Na izany aza, hanana tombony ry zareo Afrikanina Tatsimo izay efa manana traikefa ary efa zatra miatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany amin’ity rugby lalaovin’olona 7 ity. Tsy hahatohitra ireo ekipa roa ireo ry zareo maorisianina.
Ho an’ny vondrona “B”, raha ny lojika, tsy hahasakana an’i Kenya ireo ekipa miaraka aminy. Toa izany koa ny ao amin’ny “C” izay mety hanjakan-dry zareo ogandey. Tsiahivina fa hanana ny lanjany lehibe ity “Africa Women’s Tournament” ity satria hiadiana ny tapakila hiatrehana ny “World Challenger Series”.

Tompondaka

Partager sur: