Nampahafantatra ny Agence nationale d’appui au logement et à l’habitation (Analog) fa mitohy araka ny tokony ho izy sy anaty mangarahara ny fanatanterahana ny fivarotana an’ireo trano fonenana natsangan’ny fanjakana.
Voakasik’izany ireo Cités 320 logements ao Imerintsiatosika, Cité Vatofotsy, ahitana trano 80, ao Antsirabe, ny Cité Ulang Ylang, misy trano 80 ao Nosy Be, ny Cité Soa ahitana appartements 15 ao Fianarantsoa ary ny Lake Village Ivato, ahitana appartements 135.
Am-perinasa tanteraka amin’ny fanohizana ny asa amin’ireo toerana ireo ny Analog, indrindra fa ny fiarovana ny fananam-panjakana.
Mitohy hatrany ny fifandraisana amin’ireo mpividy sy ireo voasafidy hahazo tombontsoa amin’ireo trano ireo.
Nampahafantarin’ny tomponandraikitra ihany koa fa ny tany voakasiky ny tetikasa dia tafiditra ao anatin’ny « reserves foncières » an’ny fanjakana. Izay rehetra miditra an-keriny na maka amin’ny fomba tsy ara-dalàna ireo tany ireo dia raisina ho fandinkan-dalàna goavana ary henjehina mifanaraka amin’izany.
Ny vola rehetra azo amin’ny fivarotana ny trano dia miditra ao anatin’ny tetibolam-panjakana ary ho ampiasaina manontolo amin’ny fanaovana tetikasa hanamorana amin’ny fahazoan’ny Malagasy trano fonenana.
Tatiana A




