Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny lalao famaranana niadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, ho an’ny seksionina Antananarivo Renivohitra. Teo amin’ny sokajy latsaky ny 20 taona, voahosotra ho tompondaka teo amin’ny sokajy lehilahy, ny JCBA Analamanga, rehefa nandresy ny ekipan’ny AKBB tamin’ny isa 53 no ho 34. Teo amin’ny sokajy vehivavy kosa, norombahin’ny ekipan’ny MB2All ny fandresena nanoloana ny ekipan’ny Lucadro, tamin’ny alalan’ny isa 35 no ho 22. Niatrika ny lalao famaranana ihany koa ny teo amin’ny sokajy latsaky 12 taona, lahy sy vavy. Nanao pao-droa ny ekipan’ny MB2All. Isa 25 no ho 13 no nandavoan’ireto farany, sokajy lehilahy ny ekipan’ny Cosfa. 26 no ho 13 kosa no nandresen’ny izy ireo, sokajy vehivavy ny ekipan’ny Fandrefiala, teo amin’izay lalao famarana natao omaly izay.
Mi.Raz




