Nifarana omaly, tany Abidjan, Côte d’Ivoire, ny fiofanana nampanaovin’ny Federasionina iraisam-pirenen’ny baolina kitra (Fif a) ho an’ireo Afrikanina mpampiofana mpanazatra. Anisan’ireo nandray anjara tamin’izany ny FMF. Telo mirahalahy niatrika izany. Nahitana an-dRasoanaivo Rado, tale teknika nasionaly. Teo koa Andriamampilazasoa Fidy Herman sy Andriamahefa Johansson Lemark, mpampianatra sy mpanabe eo anivon’ny federasionina. Tanjona ny hanondrotana ny lentan’ny baolina kitra aty Afrika.
Ankoatra izay, mikendry ihany koa ny fampifanarahana ny fenitry ny fiofanana manerana ny kaontinanta afrikanina ity natao ity. Eo koa ny fanomezana ireo fitaovana fampiofanana maoderina amin’ity taranja ity. Manantena ny Kaonfederasionina afrikanina (Caf) sy ny Federasionina iraisam-pirenena (Fifa) fa ho lasa mpitatitra mahomby any amin’ny fireneny avy ireo mpampiofana rehetra tany Abidjan, ka hampiely ireo fomba fampianarana vaovao, ho an’ireo mpanazatra ao an-toerana.
Raha ho an’ny Malagasy teknisianina, dingana lehibe amin’ny fanamafisana ny fahaiza-manao teknika ny niatrehin’izy ireo ity fiofanana ity. Tafiditra ao anatin’ny paikady maharitra hahatongavana ho firenena azo itokisana eo amin’ny sehatra afrikanina.
Tompondaka




