Taranja Stem : Nampiharina amin’ny Lycée 14 sy CEG 42

Niainga avy amin’ny Tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy hanome fanabeazana manana kalitao sy ho an’ny rehetra ary hanatrarana ny tanjona hatramin’ny taona 2063 ho an’i Afrika ny nametrahana ny Stem. Hampiroboroboana ny fanabeazana sy hitazonana ny mpianatra zatovovavy any an-tsekoly sy hifantoka amin’ny taranja siantifika.

Napetraka teny anivon’ny Lycée 14, nanomboka ny taona 2018, ny Science-technologie- ingénierie et mathématique (Stem). Taranja azo atao amin’ny sahanasam-pampianarana any an-dakilasy sy hanomezana sehatra manokana ny vehivavy ho liana amin’ny siansa. Io ny fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny fampianarana ambaratonga faharoa (minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena) sady mpandrindra lefitry ny fandaharanasa Glo­be eto Madagasikara, Ravo­avy Denis. Fampitana fahalalana momba ny taranja matematika, fizika ary Science de la vie et de la terre (SVT) izany. Tsy ampianarina mitokana fa ampiarahana ireo taranja telo ireo. Mahazo fiofanana mialoha ny mpampianatra ary tsy manova ny fandaharam-pianarana velively fa ny fomba fampitana no amboarina.
Any an-dakilasy, omena lesona mivoy ny zavatra tiana ampitaina amin’ny tetikasam-pampianarana ny mpianatra. Hampisitraka azy ireo ny lesona ho hita maso sy azo tsapain-tanana kosa ny fananganana club Stem. Rehefa mizara vondrona ao amin’ny club dia miaraka ny lahy sy ny vavy ary miara-manao tetikasa iray: fanamboarana savony, fanaovana kilalaon-tsaina mivoy ny logique…
Amin’ny ora manokana ivelan’ny ora any am-pianarana no misehatra amin’ny Club isan-kerinandro ny mpianatra. Nitarina teny anivon’ny CEG ny fametrahana ny Stem ka 42 miparitaka amin’ny Dren efatra no voakasika izany hatramin’izao.
Ho an’ny distrikan’i Von­drozo izay vao nametrahana ny club Stem nandritra ny sehatra ho an’ny zatovovavy farany teo, “ny 53% ny ankizivavy mianatra ao amin’ny CEG 34 ao anatin’ny distrika no narisika hiditra ao amin’ny club Stem”, hoy ny tomponandraikitra.

Vonjy

Partager sur: