Antsirabe sy Fès (Maroc) : Hatao tanàna mpirahavavy

Noho ny fiaraha-miasa ara-diplaomatika eo amin’i Mada­ga­sikara sy i Maroc, nisy ny fanamafisana ny firaisana ara-tan­tara eo amin’i Maroc sy ny renivohitry ny faritra Vakinan­ka­ratra. Tafiditra tao anatin’ny lahadinika ny fanapahana tao anatin’ ny fivorian’ny filankevitry ny tanàna Fès izay notarihin’ny filohany, Abdesalam El Bakkeli, ny fivoaran’ny fampifandraisana ny tanànan’Antsirabe sy Fès.
Tanàna nipoiran’ny mpanjaka marokanina Mohammed V i Fès. Manana fifandraisana ara-tantara sy fifamatorana amin’ ny tanànan’Antsirabe rahateo i Maroc nandritra ny nanaovana sesitany ny mpanjaka Mohammed V tao Antsirabe, ny volana janoary 1954 hatramin’ny oktobra 1955.
Nametraka fotodrafitrasa maro ao Antsirabe koa ny mpanjaka Mohammed VI, nanomboka ny taona 2016, nandritra ny fivahinianany teto Madagasikara. Fametrahana toeram-pitsaboana ho an’ny reny sy ny zaza sy ivontoeram-panofanana arakasa no anisan’ny tetikasa iarahan’ity mpanjaka ity sy ny tanànan’Antsirabe.
Manao ezaka fanelanelanana sy fandaminana ary mametraka ny fampifandraisana ny tanàna roa tonta ho laharam-pahamehana ny masoivohon’i Madagasikara miasa any an-toerana.

Vonjy

Partager sur: