Nihemotra ny 11 sy 12 novambra ho avy izao ny fifaninanana hidirana ho taona voalohany ao amin’ny Ecole normale supérieure (ENS) Toamasina, ho an’ny taom-pianarana 2025-2026. Ny 6 novambra no fara fandraisana ny antontan-taratasy ho an’ireo vonona hifaninana, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Efatra ny foibe handray ny mpiadina hiatrika izany: Ambatondrazaka, Mahanoro, Fenoarivo Atsinanana ary Maroantsetra. Fifaninanana hidirana taona voalohany, hahazoana ny diplaoma licence aorian’ny fianarana telo taona izy ity. Mention Anglais, Française, Histo-Geo, Malagasy, Mathématiques Informatique, Philosophie, Physiques-Chimie, Sciences de l’éducation, Sciences économiques et sociales ary sciences naturelles no azon’ny mpiadina hisafidianana.
Diplaom-panjakana no azon’ny mpianatra aorian’ny fahavitan’ny fianarana ka ny 2/3 amin’ireo nivoaka efa miasa avokoa na manao fianarana asa eny anivon’ny orinasa, amin’izao fotoana izao. Nampiavaka ny taom-pianarana 2023-2024 ny famoahana tamin’ny fomba ofisialy ny andiana mpianatra nahazo ny diplaoma Master II voalohany ho an’ity sekoly ambony ao Toamasina ity. Mampiavaka ny mari-pahaizana Master II ny diplaoma akademika sady arakasa. Mbola afaka manohy fianarana sy fikarohana amin’ ny fidirana any amin’ny école doctorale ny mpianatra na koa miatrika asa avy hatrany araka ny safidiny.
Vonjy




