Mila fitandremana ny fampiasana ireo tambajotran-tserasera satria misy ny lalàna velona mifehy izany sy ny sazy mihatra mifandraika amin’ny heloka. Voaaron’ny lalàna ny fahalalahana maneho hevitra, saingy voafetran’ny lalàna ihany koa izany.
Nampahafantatra ny didy aman-dalàna mifehy ny fampiasana ny tambajotran-tserasera toy ny facebook, instagram, TikTok, sns ny polisim-pirenena, mifanaraka amin’ny lalàna velona eto Madagasikara.
Araka ny fehezan-dalàna famaizana, laharana 2020-006 izay manitsy sy mameno ny fepetra sasany ao amin’ny lalàna laharana 2016-029 momba ny serasera amin’ny haino vaky jery, nivoaka ny
1 septambra 2020. Eo koa ny lalàna laharana 2014 – 006 mifehy ny heloka ana habaka, nivoaka ny 19 jona 2014. Milaza ireo fa misy fepetra hentitra mandrara ny fanalam-baraka amin’ny lainga na fiampangana tsy marina, ny fiampangana olona amin’
ny zavatra tsy marina ka manimba ny lazany na ny voninahiny imasom-bahoaka.
Toy izany koa ny teny na fanambarana manala-baraka olona iray, manevateva, manompa.
Tafiditra amin’izany koa ny faniratsirana ny filoha sy ny manampahefana na olona mitana andraikitra ambony amin’ny fanjakana. Ny fanaratsiana na fanalam-baraka atao amin’ny filohan’ny Repoblika na ireo manampahefana ambony eo amin’ny fanjakana (minisitra, mpitsara, mpitandro filaminana, sns).
Na dia tsy mitovy hevitra amin’ny filoha na manam-pahefana ambony eo amin’ny fitondrana aza ianao, tsy azo ompana na hosoram-potaka amina tranga tsy marina imasom-bahoaka izy ireo satria heloka amin’ny lalàna izany.
Ny fehezan-dalàna famaizana andininy faha-121 hatramin’ny 123 no miresaka ny Fake news / Vaovao tsy marina, midika hoe vaovao diso, sandoka, niniana nodisoina, izay mety hanakorontana ny filaminam-bahoaka na hampiteraka savorovoro sy fikorontanana.
Ny famoronana, famoahana, fizarana, fivarotana sary na horonan-tsary mamoafady mampiseho ankizy tsy ampy taona na heverina ho tsy ampy taona raha ny endriny anatin’ ilay sary koa dia mety mampiditra am-ponja.
Tatiana A




