Fifidianana eo anivon’ny tsipy kanetibe : Mampiaka-peo ireo filohana klioba 20 eto Analamanga

Tsy mitovy fomba fijery amin’ny Federasionina malagasin’ny tsipy kanetibe (FSBM) ireo mpitantana klioba ato anatin’ny ligim-paritra Analamanga. Tsy manaiky ny lalàm-pifidianana manome vahana ny FSBM izy ireo ka mitaky ny hanovana izany, hisian’ny fifidianana madio sy mangarahara.

Namory ny mpanao ga­zety tetsy Antani­na­re­nina, omaly, ireo filohana klioba amin’ny tsipy kanetibe miisa 20 ato anatin’ny ligim-paritra Analamanga. Nanam­bara ny tsy fetezan’ny lalàm-pifidianana hatao ny volana desambra ho avy izao izy ireo. Niakatra ny feo ary tsy nitsitsi­tsitsy fitenenana mihitsy izay nitondra teny tamin’izany. Na­motsipotsitra ny tsy nety izy ireo.
Nambaran-dRatsimbaha­rison Luc, mpitantana ny klioba UBM Ambohitrimanjaka, fa nataon’ny mpitantana ny federasionina ankehitriny amin’ izay maha mety azy ny lalam-pifidianana, tsy mifanaraka amin’ny lalàna misy. Saka­nana amin’ny fomba rehetra ny mpifanandrina ary ahilika ny olona heverina fa afaka hi­faninana amin’ny filoha ankehitriny. Ankoatra izay, ny fametrahana olona ao anatin’ny mpanara-maso ny fifidianana, izay olona ao anaty FSBM ihany. Noho izany, takin’izy ireo ny hanoloana azy ary ha­naovana fivoriambe iarahana mamolavola ny lalàm-pifidianana. Nohamafisin’ny filoha Ramirez fa handefa taratasy fampahafantarana any amin’ ny minisiteran’ny Fanatan­ja­hantena sy ny komity olym­pika malagasy (Com) ireto filohana klioba 20 ireto. Miantso ihany koa ireo mpitantana ekipa any amin’ny faritra ma­nerana ny Nosy izy ireo hanatevin-daharana. Miandry ny valin-tenin’ireo tomponandraikitra izy ireo mialoha ny hidi­rana amin’ny dingana hafa raha toa ka miziriziry amin’ny heviny ny FSBM. Marihina fa manaiky ny daty hanaovana ny fifidianana izy ireo, ny 6 desambra ho an’ny ligy ary 27 desambra ny an’ny federasionina.
Tsy nanafina koa ny tenany tamin’ny fampanantenana poakaty nataon’ny filohan’ny Federasionina ny amin’ireo ekipa mahazo ny ho tompondaka sy ny amboaran’i Madagasikara.

Tompondaka

Partager sur: