Namoaka fanambarana ny solontenan’ny mpilalaon’ny Barea sy ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, omaly, tao amin’ ny tambajotran-tseraseran’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Nilaza izy ireo fa tokony hitsahatra ny resabe mahakasika ny “Prize Money” an’ny “Chan 2024”. Efa nisy ny fifandaminana teo amin’izy ireo sy ny FMF.
“Efa milamina tanteraka ny fifampiresahan’ny roa tonta, ka aoka izay ny resabe mahakasika ity Prize Money ity”, hoy i Dax, kapitenin’ny Barea Chan. Etsy ankilany anefa ireo mpilalao teo aloha, toa an-dry Voavy Paulin sy Abel Anicet, mbola manana ahiahy mahakasika ity raharaha ity. “Courage amin’izay, fa efa milamina hono ilay “prime”, dia tsy mila resabe intsony hoy i Dax. Fa raha izaho manokana mijery an’izao sary izao, ohatry ny hafahafa”, hoy i Abel Anicet, kapitenin’ny Barea A teo aloha, tao amin’ny pejy Facebook.
Tsara ny mampahafantatra fa ny fanalan’ny Caf ny lamandin’ny “Chan 2024” sy ny vidin’ny fandefasana ireo lalao amin’ny fahitalavitra ary ny saran’ny baolina avy amin’ ny Puma no nampihena ilay 1,2 tapitrisa dolara, araka ny fanambarana nataon’ny mpikambana anivon’ny komitim-panatanteraka iray eo anivon’ ny FMF.
Fitia Randria




