Anisan’ireo tetikasa lehibe tanterahin’ny fanjakana amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT) ny Produir.
Mitohy ny fandaharanasa ary tsy miova. Mikendry ny hanamafisana ny rafitra fivoahan’ny rano maloto sy hanatsarana ny fahadiovana amin’ny faritra iva eto amin’ny tanànan’Antananarivo sy ny manodidina ity tetikasa ity. Iarahana amin’ny fanohanan’ny mpamatsy vola, amin’ny alalan’ny Banky iraisam-pirenena izany. Tafiditra ao anatin’izany ny fanatsarana ny lakandrano C3. Tsy mijanona akory ny asa, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra. Anisan’izany ny eny amin’ny manodidina ny lakandrano na koa ny amin’ny fanomanana ny famindrana ireo tokantrano tratran’ny fanamboarana. Nivory avokoa ny mpandray anjara rehetra, omaly. Anisan’ny niatrika izany ny eo anivon’ny birao mpanara-maso, ny orinasa mpanatanteraka ny asa, ary koa ireo solontenan’ny tomponandraikitra avy amin’ny tetikasa.
Toeram-ponenana ho an’ireo tokantrano 87
« Anisan’ny nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra ny hijerena ny fandrosoan’ny asa. Eo koa ny hanitsiana ny fandaharam-potoana araka ny zava-misy eny an-toerana », hoy ireo tomponandraikitra.
Voatsiahy tamin’izany fa maneho ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana sy ny mpiara-miombon’antoka aminy amin’ny fanavaozana ny fotodrafitrasa an-tanàn-dehibe izao fandaharanasa izao. Tsy vitan’izany koa fa manome antoka ny fampandrosoana mirindra ho an’ny mponin’Antananarivo sy ny manodidina.
Tsiahivina fa tanjona amin’ny tetikasa ny hanomezana toeram-ponenana mendrika ho an’ny tokantrano miisa 87. Natao ho azo antoka ary maharitra ho an’ireo olona nafindra toerana eny amin’iny faritra nanatanterahana ny tetikasa, Andavamamba sy ny manodidina iny, izany fotodrafitrasa izany.
Synèse R.




