Maniry ny hisian’ny fanovan-drafitra ny Holafitry ny mpandrefy tany eto Madagasikara. Mitaky ny fanovana tanteraka ny rafitra hitantanana ny tany eto an-toerana izy ireo mba hisitrahan’ny vahoaka eny ifotony ny zony ary hitondra fampandrosoana ho an’ny firenena ny fampiasana izany.
Tokony hotohizana ary hamafisina ireo fanatsarana nentina tamin’ny fanavaozana nimasoana tamin’ny taona 2005. Vitaina ao anatin’ny fotoana fohy ezaka ny Digitalisation sy ny Dematérialisation an’ireo sampandraharahan’ny fananan-tany mba hanamorana ny fitantanana, ahafahana manenjika ny fahatarana sy hisian’ny mangarahara tanteraka.
Mila hatsaraina koa ny “sécurisation foncière agraire” mba hahafahana mamokatra anaty filaminana.
Hapetraka ny «réserve foncier» sy ny «zone d’aménagement foncière» hoentina hampandrosoana ny firenena. Omena ny andraikitra tandrify azy ny Holafitra eo amin’ny sehatry ny fitantanana ny tany izay afaka mipetraka manerana ny distrika sy kaominina. Hahafahana manamora ny fikarakarana eny ifotony izany.
Mitaky ny hametrahana ireo teknisianina mahafehy ny fananan-tany sy fandrefesan-tany ary fanajariana ny tany amin’ireo ekipa handrafitra izany ny minisitera misahana azy ny holafitra.
Marihina fa manjaka ny ady tany, ny kolikoly, ny fanararaotam-pahefana, ny baiko midina amin’ny rafitra misy amin’izao fotoana.
Tatiana A




