Nampahafantatra ny fitaleavam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra ao Bongolava fa ao anatin’ny fampandrosoana ny fanodinam-bokatra ho fampiakarana ny toekarem-paritra izy ireo. Miantso ireo liana amin’ny fampiasana milina ho fitotoana voa madinika, izay tetikasa iarahana amin’ny Mic, ity atao ity.
Fahavalon’ny fikorianan’ny rano ny tsikafonkafona sy ny fako anaty lakandrano. Ireo no manakana ny fandehanan’ny rano sy mampihena ny fahafahan’ny dobo fitobian-drano mitahiry rano. Ady atrehin’ny Apipa mandavan-taona izany, indrindra ny volana oktobra, fiomanana amin’ny orana sy ny fidiran’ny fahavaratra.
Omaly maraina, tany amn’ny 781 km avaratra atsinanan’Antsiranana, no nisy ny foiben’ilay Tempête tropicale moderée Chenge. Tsy manambana mivantana an’i Madagasikara izy, raha ny vinavina. Hitondra rotsakorana amin’ny tapany afovoany atsinanana sy avaratra atsinanan’ny Nosy ny rahona miaraka aminy, androany.




