Hifarana ny faran’ny volana janoary ho avy izao ny fifanarahana eo amin’i Corentin Martins sy ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), amin’ny fitondrana ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara. Nilaza ny eo anivon’ny federasionina fa mbola hiankina amin’ny fitondram-panjakana ny mety hanavaozana ny fifanarahana na tsia.
Notsiahivin’izy ireo fa ny fanjakana no miandraikitra ny fandoavana ny ampahan’ny karaman’ity mpanazatra ity. Nambaran’ny rafitra federaly fa nahafa-po ny ezaka vitan’i Corentin Martins ho an’ny baolina kitra malagasy. Raha tany amin’ny faha-112 ny ekipa nasionaly malagasy teo aloha, efa any amin’ny faha-106 ankehitriny.
Tsy tonga tamin’ny tanjona
Na dia tsara aza ny vokatra azon’i Corentin Martins, tsy nahatratra ny tanjona izay nodradraina mafy tetsy Mahamasina nandritra ny fanolorana azy izy. Vina napetraka tamin’ny fahatongavan’ity frantsay teknisianina ity ny hoe hiatrika ny « Mondial 2026 », saingy tsy tonga tamin’izany. Nijanona teo amin’ny laharana faharoa, vondrona « I », moa ny ekipam-pirenena malagasy.
Andrasana ny mety ho tohin’ny fiaraha-miasa raha mbola hanazatra ny Barea any amin’ny fifanintsanana “Can” i Corentin Martins na tsia.
Fitia Randria




