Raha tsy misy ny fiovana, hitohy ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fifaninanam-pirenena taranja baolina lavalava, « XXL Top 12 ». Tsara ny mampahatsiahy fa efa nandeha ny andro voalohan’ny fifaninanana. Mbola baraingo hatrany ny fiadiana ny amboara lehibe na ny “Super Coupe”, izay hifanandrinan’ny FTM Manjakaray, tompondakan’i Madagasikara sy ny Cosfa Miaramila, tompon’ny amboara nasionaly.
Lalao azo heverina ho toy ny famaranana kely any Angleterre, « Premier League », ny fifanandrinan’ny Chelsea FC sy ny Tottenham. Fihaonana izay hotontosaina anio, ao amin’ny Kianja Tottenham Hotspur Stadium. Tsara ny mampahafantatra fa eo amin’ny laharana fahenina izao ny Tottenham raha toa ka fahadimy ny Chelsea.
Hotanterahina rahampitso, ao amin’ny Kianjan’ny Santiago Bernabeu, Espagne, ny lalaon’ny Real Madrid FC sy ny FC Barcelone. Fihaonana izay tafiditra amin’ny andro fahafolon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Espagne, la Liga. Maro ireo mpankafy baolina kitra no miandry fatratra ity fifanandrinana ity. Araka ny fikarohana omaly, tsy afaka handray anjara i Raphina, lohalaharan’ny FC Barcelone, noho ny ratra mahazo azy.




