Manohy ny diany mankany amin’ny dingana famaranana ny ekipa malagasy eo amin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, sokajy Junior, lahy sy vavy miaraka. Ekipa malagasy roa no hiatrika ny ampahavalon-dalana, anio, hifandonana amin’i Tunisie 2 sy France 1.
Hitohy anio, ao amin’ny Kianja Isla Cristina, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe, “Mondiaux Jeunes”, sokajy zandriny Junior. Hotanterahina amin’izany ny dingana ampahavalon-dalana sokajy olon-droa miaraka sy olon-telo, lahy sy vavy miaraka. Tafita ho amin’ny olon-droa miaraka ny ekipa malagasy roa dia ny Mada 1 sy Mada 2.
Raha ny fandaharam-potoana, hidona amin’i Tunisie 2 ny Mada 1, ahitana an’i Tafita sy Nathanael. Hifanandrina amin’i France 1 kosa ny Mada 2, iarahan’i Sarobidy sy i Clarito. Raha tsiahivina ny dingana nolalovan’ireo ekipa malagasy roa ireo nandritra ny fifanintsanana. Mada 1 nahazo fandresena 4 ka nitana ny laharana voalohany. Nanilika an’i Italie, tamin’ny isa 13 no ho 2, teo amin’ny fihodinana voalohany. Nandavo an’i France 1, 13 no ho 8, avy eo teo amin’ny lalao faharoa. Nandresy an’i Thaillande 2 indray, tamin’ny isa 13 no ho 2, nandritra ny fihaonana fahatelo ary nampiondrika an’i Algerie, tamin’ny isa 13 no ho 6. Farany, nandresy an’i Espagne 2, tamin’ny isa 7 no ho 6. Mada 2 inday nandresy intelo ary resy indray mandeha. Resin’ny ekipan’i France 2 ry zareo.
Hidona amin’izay tafavoaka eo amin’i Allemagne 1 sy Espagne 2 ny Mada 1 raha tafavoaka eo. Hifanandrina amin’izay mandresy eo amin’i Espagne 3 sy Thaïlande 1 kosa ny Mada 2 raha tafita eo amin’ny ampahefa-dalana. Raha ny fandaharam-potoana anio, hisy ny fifaninanana mitifitra “tir de précision” amin’ny endriny vaovao izay samy tsy misy mahafantatra.
Nanomboka omaly ihany koa ny fifanintsanana ho an’ny olon-telo miaraka. Nandresy an’i Monaco, tamin’ny isa 12 no ho 9, teo amin’ny fihodinana voalohany avy eo nanilika an’i Espagne, 13 no ho 10.
Tompondaka




