Vola ho an’ny vaksiny : Mila ampiakarin’ny fanjakana ny loharanom-bola anatiny

Nambaran’ny Unicef sy ny OMS, ny volana mey lasa teo, fa afaka tamin’ny poliovirus i Madagasikara noho ny ezaka nataon’ny fanjakana sy ny mpiray ombon’antoka. Tokony hitohy ny asa ary mila ampitomboina ny sora-bola ho an’ny vaksiny avy amin’ny fanjakana malagasy satria niala tsy hamatsy vola ny Alliance i Etazonia.

Nisokatra nanomboka ny talata 21 oktobra lasa teo ny fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena handinihina sy handaniana ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2026. Mbola miandry ny fijoroan’ny birao maharitra anefa vao hiroso amin’ny fisafidianana ny lahadinika izy ireo. Ho an’ny tetibolam-panjakana taona 2025, nahatratra 6,4% no naompana ho an’ny fahasalamana ka mitentina 73,8 miliara Ar natokana ho an’ny fanaovam-baksiny izay tsy mandrakotra afa-tsy ny 10% amin’ny filana, araka ny voafaritra ao anatin’ny paikadim-pirenena ho an’ny vaksiny (SNV) 2023-2027. Ny fifanarahana tany Abuja, izay nataon’i Madagasikara sonia, manambara fa tokony ho 15% amin’ny tetibolam-panjakana no omena ny fahasalamana.
Sahanin’ny mpiray ombon’antoka ny 80% ilaina amin’ny fividianana vaksiny fa anjaran’ny fanjakana malagasy kosa ny 20% ambiny. Hatramin’izay, vitan’ny fitondrana ny nandoa ny sora-bola mifandraika amin’ny andraikiny. Tokony hiakatra 2% isan-taona ny tahan’ny famatsiana anatiny avy amin’ny fanjakana malagasy hatramin’ny taona 2029, araka ny toromariky ny Gavi.
“Mifanohana ny firaisamonim-pirenena CCOC sy ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ary ny solombavambahoaka mijery vahaolana ahafahana mampiakatra ny sora-bola atokana ho an’ny fahasalamana sy ny loharanom-bola hafa ahazoana mamatsy ny fanaovam-baksiny eto amintsika”, hoy ny “assistant programme” amin’ ny tetikasa famatsiam-bola ho an’ny vaksiny, sahanin’ny firaisamonim-pirenena, Ra­ko­to­nirina Miaro­sata, omaly, teny Ambohi­dempona.
Fitadiavana loharanom-bola vaovao
Namaritra ny hetra samihafa azo hakana ampahany hamatsiana ny vaksiny ny teknisianina ka nivoitra ny hetra ho an’ny rano fisotro misy siramamy amidy. Mifanojo amin’izay koa ny fametrahana rafitra iray hifehy ny loharanom-bola ho an’ny vaksiny. Efa misy ny lalàna 2016- 058 momba ny tahirim-pirenena ho an’ny fanaovam-baksiny efa lany teny anivon’ny An­tenimierampirenena fa miandry ny didy fampiharana ahazoana mampiditra ny loharanom-baovao sisa.
Ankoatra ny mpanohana ara-bola mahazatra ny vaksiny, eo koa ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola ma­no­kana. Ny olana anefa rehefa mikorontana ny toe-draharaha politika maneran-tany, misy fiantraikany amin’ny zava-misy izany. Nandritra ny fivorian’ny Gavi tany Bruxel­les, ny volana jona lasa teo, no nanambara i Etazonia fa tsy hamatsy intsony ny Al­liance ka hisy banga 1 miliara dolara isan-taona izany hatramin’ny 2030. Mety hampihena ny famatsiam-bolan’ny Gavi momba ny vaksiny eto amintsika ny toe-javatra. Izay no maha zava-dehibe ny fampitomboana ny vola atokan’i Madagasikara hividianana vak­siny sy ampiasaina mandritra ny hetsika fanaovam-baksiny.

Partager sur: