Nijery ifotony ny olan’ny mpianatra eny amin’ny sekoly ambony politeknika Vontovorona ny kolonely Rampanarivo Solofoniaina Thierry, mpiara-mitantana amin’ny filohan’ny fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny faran’ny herinadro teo. Dingana voalohany amin’ny fandraisana an-tanana ny zo fototra amin’ny fahazoana jiro sy rano izay notakin’ireo mpianatra nandritra ny fotoana maharitra izany.
Hoan’ny eny amin’ny politeknika manokana, efa nanomboka ny zoma lasa teo ny fandavahana. Mpandraharaha iray nivoaka avy amin’io toeram-pampianarana io no misahana izany. Afaka iray volana, hisitraka rano avokoa ireo mpianatra rehetra eny an-toerana.
Ho an’ny oniverste eny Ankatso sy ireo Oniversite hafa manerana ny Nosy, anatin’ny dinika sy famolavolana vahaolana maharitra ny tomponandraikitra amin’izao. Ny rehetra no miaraka mitondra ny fanavaozana sy ny fampandrosoana ka nanamafy ny kolonely Rampanarivo Soloniaina Thierry fa zava-dehibe ny fifanampiana eo amin’ny fitondram-panjakana sy ny vahoaka.
Ho an’ireo mpianatra, azo atomboka amin’ny fanajana ny fananana iombonana sy ny fotodrafitrasa efa mipetraka izany.
Vonjy




