Sekoly tiorka Maarif : Malagasy mpianatra 23 hahazo vatsim-pianarana

Zava-dehibe ho an’ny Malagasy ny fahazoana va­tsim-pianarana any ivelany. Miisa 23 ny mpianatra ao
amin’ny sekoly tiorka Maarif eny Talatamaty hisitraka izany amin’ity taona 2025 ity. Mpianatra 6 no hahazo ny va­tsim-pianarana YTB, omen’ny fanjakana tiorka, ary 17 hafa omen’ny sekoly Maarif. Ha­nainga eto Madagasikara rahampitso izy ireo. Manome fahafahana ho an’ny mpianatra hanohy fianarana maimaimpoana any amin’ireo oniversite any Torkia ny vatsim-pianarana Maarif. Tafiditra ao anatin’ny vatsim-pianarana ny saran-dalana sy ny saram-pianarana fa ny trano fonenana sy ny vola fanampiny no tsy tafiditra ao. Atolotry ny fanjakana Tiorka kosa ny vatsim-pianarana YTB, amin’ny ala­lan’ny fifantenana iraisam-pirenena. Mahazo tapakila fiaramanidina, trano fonenana, volakely isam-bolana, fianarana teny Tiorka ary fianarana any amin’ny Oniversite 140 mahery izy ireo. Mihoatra ny 100 isan-taona ny Malagasy misitraka izany. Vatsim-pianarana Magis Hho an’ny ivelan’ny sekoly iraisam-pirenena Maarif, ny sekoly no mikarakara ny antontan-taratasy fisoratana anarana. Afaka manao izany anaty tranokala Google Bourse YTB kosa ny mpianatra. Sekolim-panjakana Tiorka voalohany eto Madagasikara ny Maarif eny Talatamaty. Mampifandray ny fanabeazana malagasy sy frantsay. Misy koa ny vatsim-pianarana Magis ho an’ny mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana. Mianatra maimaimpoana ao amin’ny sekoly Maarif, amin’ny alalan’ny fifaninanana ary afaka manohy any ivelany. Andiany telo ny efa nahazo ny vatsim-pianarana Maarif sy YTB, nanomboka ny taona 2023.

Njaka A.

Partager sur: