Tsipy kanetibe – «Mondiaux Juniors 2025»: Tompondaka teo amin’ny olon-droa, lahy sy vavy, i Madagasikara

Nanandratra avo ny voninahi-pirenena indray ny tsipy kanetibe nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny sokajy zandriny, Juniors 2025. Nandrombaka ny medaly volamena ary voalohany teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, i Madagasikara.

Nifarana omaly, tany Isla Cristina Espagne, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja tsipy kanetibe ho an’ireo sokajy zandriny Juniors. Tsy mitsahatra ny mametraka ny anaran’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ity taranja ity. Tsy niveri-maina mantsy ny Malagasy fa nandrombaka ny ho tompondaka maneran-tany teo amin’ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, “mixte”. Nobatain’i Mitia sy i Nathanael mantsy ny medaly volamena, rehefa nandresy an’i Bélgique, tamin’ny isa tery, 13 no ho 12, izy ireo. Fihaonana niady ary nampitaintaina hatramin’ny farany ireo mpijery ny lalao. Nitarika tamin’ny isa hatrany mantsy ry zareo Belza. Efa nisy fotoana tokony hamono izy ireo saingy tsy voany ny kanety notifirina. 11 no ho 8, avy eo 12 no ho 10, ary sahala 12 no ho 12. Tonga hatrany amin’i Mitia ny nitifitra izay nahavoa kanety. Taorian’io, nampiditra kanety farany, tokony hamonoany i Belgique, saingy tsy tafiditra ka nibatan’i Madagasikara ny fandresena. I Madagasikara izany no ekipa voalohany nahazo ity tompondaka maneran-tany ho an’ny olon-droa miaraka lahy sy vavy ity, izay sambany no nisiany.
Tompondaka lefitra kosa ny Malagasy teo amin’ny olon-telo hiarahan’ny lehilahy sy vehivavy milalao. Lavon’i Italie, tamin’ny isa mazava, 13 no ho 6, i Mitia sy i Nathanael ary i Tô. Toy ny tamin’ny olon-droa ihany, nitarika hatrany ny mpifanandrina. Hita teo amin’i Nathanael ny havizanana izay tsy nahavoa kanety intsony. Mbola gisamainty ho an’ny Malagasy aloha, hatreto, i Italie. Tsiahivina fa ho an’ny Senior, mbola ry zareo Italianina ihany koa no nandresy an’i Madagasikara teo amin’ny olon-telo miaraka, lehilahy, ny taona 2024.

Tompondaka

Partager sur: