Fantatra izao fa horaisin’ny RD Congo ny fifaninanana “World Judo continental Team Championship for peace 2026”. Notanterahina ny zoma lasa teo, tao Kinshasha, ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny minisitry ny Fanatanjahantena congoley, Didier Budimbu Ntubwanga sy i Marius Vizer, filohan’ny International judo federation (IJF). Miavaka ity hetsika ity satria ivondronan’ireo kalazalahy sy vavy maneran-tany, ary ho anisan’ ireo fifaninanana malaza indrindra ho an’io taona 2026 ho avy io.
Zava-dehibe tokoa ny fandraisan’ny RD Congo ity “World Judo continental Team Championship for peace” ity satria voalaza fa fifaninanana maneran-tany goavana raisin’i Afrika, izay hitovy lenta amin’ny fiadiana ny ho tompondaka mneran-tany. Nanambara i Marius Vizer, fa fiarahana sy firaisankina ary soatoavina ho an’ny judo ny nitondrana ny fifaninana ao Congo. “Voninahitra ho an’i Congo ny fandraisana ity fihaonana ity ary hanasongadinay ny fahaizana mandray vahiny sy hanehoana ny kolontsainy”, hoy i Didier Budimbu.
Tompondaka




