Nivoaka ho mpandresy ny Paradou AC, ekipa ilalaovan’i Lalaina, Malagasy mpilalao baolina kitra, nandritra ny andro faha-9 hiadina ny ho tompondakan’i Algerie, D1. Resin’izy ireo, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Mostaganem. Fihaonana notanterahina ny alahady lasa teo, tao Paradou Stadium. Baolina tokana matin’i Mohamed Abdelkader, teo amin’ny minitra faha-71. Nahazo isa 3 izany ny Paradou AC. Mpilalao tompon-toerana ary nilalao nandritra ny 90 mn i Lalaina. Nisongadina tanteraka ny tovolahy teo afovoan’ny kianja, nandrindra ny fanafihan’ny Paradou AC ary azo lazaina fa avokavoka sy fo namelona ity ekipa hilalaovany ity. Voalazan’ny mpanao gazety any an-toerana fa hainy ny nanaja sy nanaraka ny toro-hevitry ny mpanazatrany, nandritra ny fihaonana.
Na teo aza ity vokatra azon’izy ireo ity, mbola mitana ny laharana faha-15 amin’ny 16 ny Paradou AC. Lalao manaraka ho azy ireo ny fifandonana amin’ny USM Khenchela, laharana faha-9, ny 3 novambra ho avy izao. Fihaonana sarotra. Nefa raha ny zava-bitan’ny ekipan’i Lalaina amin’izao, hananany fanantenana hanaovana dingana iray indray.
Tompondaka




