Centre de formation professionnelle Soamanandrariny: Namoaka « traiteur » vaovao, andiany faha-13

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy ny herinandro lasa teo, tetsy amin’ny foiben-toeran’ny Centre de formation professionnelle Soamanandrariny, ny andiany « Fitahiana » ahitana mpiofana sivy mianadahy. Nahavita fiofanana momba ny « pâtisserie » sy ny « décoration » ireto andiany ireto. Nomena azy ireo ny mari-pahaizany. Ny solontena avy amin’ny minisiteran’ny Fampi­a­narana teknika sy ny fanofanana arakasa, ny mpitantanasa avy eto anivon’ny Federa­sionina Madagasikara afovoany (FMC) ao amin’ny fiangonana advantista ary ny solontenan’ireo mpanofana no nanolotra izany.
« Andiana mpiofana 13 hatramin’izao no efa nahazo ny mari-piofanana avy amin’ny minisitera ary miara-miasa amin’ny minisitera mpiahy rahateo ny CFPS », hoy ny talen’ny CFPS, Arimino Rabe­ninary.

Nanambara ny solontenan’ny minisitera fa zava-dehibe ny fanarahana fiofanana amin’ny toerana nahazo fankatoavan’ny fanjakana satria ma­nan­-kery ny mari-pahaizana. Azon’ny mpiofana ampiasaina eto Madagasikara sy hatrany ivelany ny mari-piofanana nomena. Hiditra anio ka hitohy hatramin’ny 30 oktobra ho avy izao ny fandaharam-piofanana ao amin’ny CFPS 2025, ho an’ny andiany manaraka. Ny « Viennoiserie » sy ny « dé­­coration » no hiofanana mandritra izany.
Nanotrona ny fizarana ny mari-piofanana ny filohan’ny FMC, ny pastora Andriam­pa­ratiana Fanera sy ny mpitantanasa ara-bola, ny pastora Ramiaranjaka Ando. Tsy ma­nampy ny mpiofana hahazo fahaizana sy ho afaka mandraharaha fotsiny ity ivon-toerana ity fa manomana ireo rehetra mandalo ao aminy ho olom-banona sy vonona hanolotra ny fiainany ho an’Andria­manitra.

Vonjy

Partager sur: