Fanatanjahantena : Asa maro ny miandry ny minisitra vaovao

Mora ny mahazo ny seza fa sarotra ny mitazona azy. Andraikitra maro no miandry ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena vaovao, aorian’ny fanendrena azy.

Raha tsy misy ny fiovana farany, hampahafantarina anio ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta vaovao tarihan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo He­rintsalama. Mbola baraingo amin’ny maro nefa ny anaran’ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), izay hisolo ny toeran’i Moustapha Abdulah Marson, minisitra teo aloha.
Maro ny andraikitra miandry izay ho voatendry eo, ka mipetraka ny fanontaniana hoe : “Ho vitany ve?”. Ani­san’ny lehibe indrindra amin’izany ny famerenana ny fankatoavana ny Kianja Barea Mahamasina. Efa ela tokoa no tsy nandray lalao baolina kitra iraisam-pirenena io kianja io. Fanatanjahantena moa ny baolina kitra ka rariny sy hitsiny raha voakasika amin’izany ny mpitantana ny MJS vaovao.
Tsy izany ihany fa hiandraiketany ihany koa ny fanelanelanana mahakasika ny fitohizan’ny asa ho an’i Co­rentin Martins, mpanazatra Barea. Raha tsiahivina, ny fanjakana no mandoa ny atsasa-karaman’ity Frantsay teknisianina mitondra ny ekipa nasionaly malagasy ity. Hosahanin’ilay minisitra ho avy eo ihany koa ny resaka fandrindrana ara-bola mahakasika ny fanampiana ireo federasionina maherin’ny 40 misy eto Madagasikara.
Andrasana ihany koa, raha hametraka ilay resaka maha matihanina ny atleta rehetra eto Madagasikara ny tenany. Ity farany izay efa nangatahin’ny atleta maro tamin’ny fitondrana teo aloha.

Tsara ny zava-bita …

Tsara ny mampahafantatra fa nitondra akony tsara ho an’ny fanatanjahantena ny minisitra teo aloha, Moustapha Abdulah Marson. Izy no angady sy vy nahitana ka nahazoan’ny ekipa nasionaly Barea A mpanazatra vaovao. Nanokatra ny varavarana ho an’ireo taranja maro nisy teto Madagasikara ny tenany. Saika nahazo fanampiana ara-bola avokoa ireo atleta niaro ny voninahi-pirenena, nandritra ny fitantanany.

F.R

Partager sur: