Fanonganana ny FMF : Tsy manaiky ny AJEA sy ny Anciennes Gloires

Tapitra anio ny 72 ora, fe-potoana farany nomen’i Boli­da, Faneva Ima, Abel Anicet, Voavy Paulin, mpilalao fahiny tao amin’ny Barea (Les 4 mousquetaires an’ny baolina kitra malagasy) ny tomponandraikitry ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Ny hanomezana ny ambim-bolan’ireo mpilalaon’ny Barea (Prize money), niatrika ny Chan 2024 no anton’izany. Filazana nataon’izy ireo tao amin’ny tambanjotran-tserasera, ny faran’ny herinandro teo. Ankoatra izay, mangataka ireo rehetra manana ny antontan-kevitra rehetra amin’ny tsy fahalavorarian’ny fitantanana eo anivon’ity rafitra misahana ny baolina kitra malagasy ity izy ireo ho avoaka ho fantatry ny maro. Nanambara ireo 4 mousquetaires fa hanao ampamoaka ary efa nampitandrina fatratra ny federasionina tsy hanao kitoatoa. Manoloana izany, nitsangana ary namaly avy hatrany, omaly alatsinainy, ireo mpilalao fahiny tao anaty ekipam-pirenena “Anciennes Gloires” sy ny fikambanan’ny mpanazatra tanora (AJEA) fa tsy manaiky ny fanakorontanana ny baolina kitra malagasy ary hijoro hiaro ny fikasana handrava ny Federasionina malagasy, amin’izao fotoana izao. “Raha misy olana, tongava aty Madagasikara miresaka fa tsy anaty tambajotran-tserasera no mitabataba. Misy raiamandreny ato afaka hifanakalozan-kevitra fa aza ny mpilalao no simbaina”, hoy izy ireo.

Tompondaka

Partager sur: