Fitakian’ny mpampianatra : Mampanahy ny fiantraikany amin’ny fahaizan’ny mpianatra

Miato mandritra ity herinandro ity ny fampianarana, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Manahy ny ray aman-dreny fa hitohy lavareny ny fitakian’ny mpanabe ka hisy fiantraikany amin’ny fari-pahaizan’ny zanany.

Ao anatin’ny fialantsasatra voalohany, taorian’ny roa volana voalohany, amin’ny taom-pianarana 2025-2026, ny mpianatra amin’ny ambaratonga rehetra nanomboka omaly. Haharitra hatramin’ny 31 oktobra ho avy izao izany, araka ny tetiandron’ny minisiteran’ny Fanabe­azam-pirenena. Miverina miatrika ny roa volana faharoa indray ny alatsinainy 3 novambra hatramin’ny 19 desambra. Mizotra tsara ny fanohizana ny fandaharam-pianarana ho an’ny sekoly tsy miankina rehetra, taorian’ny fiverenan’ny toe-draharaham-pirenena amin’ny laoniny. Mbola miato kosa izany eny anivon’ny sekolim-panjakana noho ny fitakiana sendikaly.
Nanomboka ny 25 septambra no ho mankaty, tsy nandray mpianatra mihitsy ny toeram-pampianarana miankina amin’ny fanjakana satria tsy niasa ny mpampianatra. Tsy misy ny lamina manokana fa miandry ny fiverenan’ny fampianarana ny talen-tsekoly sy ny ray aman-dreny, raha ny fanazavana azo. Nampiaka-peo ny ray aman-dreny satria adino avokoa ny lesona voaray. Tsy afaka ny hanaraka ny famerenana ao an-trano rahateo izy ireo fa sahirana amin’ny fitadiavana. “Fanararaotana izao hitakina ny maharary rehetra ho an’ny mpanabe ka mandefitra aloha ny mpianatra”, hoy ny sendikàn’ny mpa­mpianatra.
Efa mikaroka vahaolana hamenoana ny banga ny talen-tsekoly raha vao miverina ny fampianarana. Haverina hariva ny mpianatra raha tapakandro ihany no nianatra teo aloha.
Manahy ny ray aman-dreny fa hanimba ny fari-pahaizan’ny zanany ny fiatoan’ny fampianarana maharitra. Tsy mitovy ny fandraisana ny lesona ary tsy maintsy vitaina ny fandaharam-pianarana ho an’ny taranja rehetra. Manana tombony ny sekoly tsy miankina eo amin’ny fotoana.

Vonjy

Partager sur: