Hirotsaka ny orana : Entanina ny mponina hanangon-drano

“Manoloana ny mety ho firotsahan’ny orana amin’ity herinandro ity, entanina ny mponina amin’ireo toerana ho voakasik’izany hanangona rano hampiasaina amin’ny fiainana andavanandro”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro.
Ny varatraza malefaka no handrafitra ny toetry ny andro ato anatin’ny telo andro ho avy. Tsy ho marin-toerana kosa indraindray ny habaka eto Madagasikara, mankany amin’ny faran’ny herinandro, mandritra ity herinandro ity.
Manan-kery hatramin’ny fiandohan’ny herinandro vaovao ny fampitandremana momba ny hamafin’ny rivotra any amin’ny morontsiraka tendrony avaratra andrefana sy atsimon’ny Nosy.
Vinavinaina hitoetra ny orana tandrifin-drahona vitsy any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy amin’ny tolakandro. Tombanana hahakasika toerana maro izany any amin’ny faran’ny herinandro. Hiitatra ho an’ny afovoan-tany kosa any amin’ny faran’ny fe-potoana. Ho maina amin’ny ankapobeny ny faritra sisa.
Hisy fidinana ny maripana ambony any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy, amin’ny fisasahan’ny herinandro, izay hiitatra amin’ny afovoan-tany, any amin’ny faran’ny herinandro. Manodidina ny 11-26 °C ny maripana ny maraina ary eo anelanelan’ny 25-40 °C ny tolakandro.

Vonjy

Partager sur: