INDRAY MIJERY

Nidina teny amin’ny trano fonenan’ny mpianatra, eny Ambondrona, ny filohan’ny Oniversiten’i Mahajanga, notronin’ireo mpiara-miasa aminy, ny faran’ny herinandro teo. Nijery vahaolana hamahana ny tsy fahampian’ny rano sy ny fahatapahan’ny jiro izy ireo.
Natomboka tamin’ny fametahana « lampadaire solaire extérieur » izany fidinana ifotony natao izany.

Andro iraisam-pirenena ho an’ny Ergothérapie omaly. Dingana lehibe io ho an’ny fanitarana sy fanamafisana ny sehatry ny fahasalamana ara-tsaina sy ara-batana eto amintsika, araka ny fanazavan’ny Association Psy-kôzy, izay misehatra ho an’ny fahasalaman’ny saina. Ny Ergothérapie dia andraikitra manan-danja amin’ny fanarenana sy fanatsarana ny fiainan’ny olona, indrindra amin’ny fanampiana azy ho tafaverina amin’ny asa aman’andraikiny andavanandro. Fam­pandrosoana tena ilaina amin’ny asa sy ny tanjona ijoroan’ny fikambanana izany.

Vidina amin’ny kilao avokoa ny ankamaroan’ny legioma amin’izao fotoana izao, eny amin’ny tsenam-pokontany. Ny haricot vert no tena niaka-bidy, satria 6 000 Ar ny 1 kg. Mahatratra 5 000 Ar ny vidin’ny saosety 1 kg satria tsy mbola tonga ny orana ka mahalana vao misy vokatra amidy. 3 000 Ar ny tongolobe, 3 200 Ar ny karaoty iray kilao.

Partager sur: