26 ny Réserves de biosphère vaovao, araka ny famaritan’ny Unesco, amin’ny firenena 21. Mahatratra 784 anatin’ny firenena 142 ny isany amin’izao fotoana izao ka voaaro vokatr’izany ny velarana mirefy 1 tapitrisa km2. Ho an’ity taona ity, firenena vaovao enina no nahazo izany voalohany ao aminy.
Faritra iray mampirindra ny fiarovana ny zavaboahary sy ny fiveloman’ny olombelona ho amin’ny fampandrosoana maharitra ny “Réserve de biosphère”. Amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mponina, ny fizarana fahalalana, ny fampihenana ny fahantrana ary ny fanajana ny soatoavina ara-kolontsaina no hahatrarana izany. Tsy afa-misaraka ny fikarohana ara-tsiansa sy ny zavaboahary ary ny fiahiana ny tontolo iainana, hisian’ny fiainana sy fampandrosoana maharitra.
Anisan’ireo firenena mankalaza izany i Madagasikara. Isika izay nahazo fankasitrahana manokana noho ny fahazoana tahiry roa, tafiditra ao anatin’ny tambajotra “Réseau mondial des réserves de biosphere” (MAB) maneran-tany, izay ahitana tahiry miisa 784 amin’ny firenena 142. Tsy iza ireo fa ny tahiry ao Tsimembo sy Mantadia.
Tsiahivina fa nandritra ny kongresy iraisam-pirenena natao tany Chine, ny 26 ka hatramin’ny 28 septambra 2025 teo no noraisina tamim-pomba ofisialy ny mari-pankasitrahana avy amin’ny komitin’ny tambajotra MAB maneran-tany ho an’ireo faritra roa ireo.
Hisy fanamarihana manokana momba ny paikady vaovao ho an’ny folo taona hoavy, izay nolaniana tany Hangzhou (Chine) isaky ny toerana ahitana ireo tahiry ireo mandritra ny fankalazana voalohany, ny 3 novambra ho avy izao. Andro natokan’ny Unesco ho an’ny “Réserve de biosphère”. Fotoana hahafantarana ihany koa ireo tahiry vaovao nahazo fankatoavana miampy ireo efatra efa misy eto Madagasikara.
Vonjy




