Barea Chan : Nilamina ny resaka « Prize Money »

Tsy niandry an’ilay 72 ora akory, nandray andraikitra ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), omaly. Araka ny tapaka tao anatin’ny fivoriana nikaton-trano, izay nataon’ny Barea Chan sy ny mpitantana ny FMF, tetsy Isoraka, afakomaly, nanapa-kevitra ny Federasionina, izay tarihin’ny filohany, Randriamanampisoa Alfred, fa hanefa ilay vola ambininy an’ny Barea Chan.
Nahomby ny dinika ho an’ny roa tonta ary nisy ny marimaritra iraisana, araka ny loharanom-baovao iray voaray avy eo anivon’ny Barea Chan. Nilaza mihitsy ity mpilalao ity fa tena nahafa-po azy ireo ny fihaonana ary nanaiky ny handoa ny vola izay notakin’ny mpilalao ny federasionina.
Nanamafy ity mpilalao ity fa tsy nisy ny tsindry na fanerena ankolaka tamin’ity resaka ity, nizotra tsara araka ny nandrasan’ny mpilalao Barea sy ny Staff izany. « Naharitra ora roa teo ny dinika, nifampitondra toy ny ray aman-dreny sy zanaka izahay », hoy ny mpilalao iray izay nisafidy ny tsy hitonona anarana. Raha ny fanampim-panazavana azo, nisy ny taratasy fanekena nifanaovana sonia teo amin’ny Barea Chan sy ny federasionina.

Fitia Randria

Partager sur: