INDRAY MIJERY

Manoloana ny haintrano nitranga teny Ankorondrano Tsaramasay, nidina teny an-toerana ny ekipan’ny Fahasalamam-bahoaka. Nahitana ny talem-paritry ny Fahasalamana Analamanga sy ny ekipan’ny CSB Antanimena miaraka amin’ny lehiben’ny mpitsabo ary ny mpanentana ara-pahasalamana ireo delegasionina. Nijery ireo traboina teny an-toerana ary nijery ny fahasalaman’izy ireo no antony nidinan’izy ireo teny. 111 ireo olona traboina noraisina an-tanana miaraka amin’ny fanafody maimaimpoana nandritra ny roa andro.

Namoaka ny tetiandro hanatanterahana ny fanadinana hifaninanana hidirana taona voalohany eny amin’ny Ankatso ny Fiadidiana ny Oniversite. Hanomboka izany ny sekoly ambony ESSA Agro, ny 26 sy 27 novambra ho avy izao. Hamarana azy kosa ny fakiolten’ny Siansa maha olona sy ny haisoratra. Fisafidianana antontan-taratasy kosa no handraisana ny mpianatra ao amin’ny fakiolten’ny Siansa sy ny fakiolten’ny Fianarana ho mpitsabo.

« Sekoly katolika mijoro, miaina ny evanjely, manabe ny maha olona manontolo, antoky ny ho avy” no teny filamatra noraisin’ny sekoly katolika rehetra ao amin’ny diosezin’Antsirabe. Io no entina hamakivaky indray ny taom-pianarana 2025-2026. Sorona Masina notarihin’ny Père Vicaire général Rafalimalalanirina Hervé Martin, no nanombohana ny fotoana, ny faran’ny herinandro teo.

Partager sur: