Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Nanisana, afakomaly hariva. Moto anankiroa no nifandona mafy teo akaikin’ny rond-point Nanisana tamin’io fotoana io. Potika sy niforitra tanteraka ny lohan’ireo kodiaran-droa nifandona ireo. Nianjera sy nitsirara tamin’ny arabe ireo nitondra azy. Vokany, olona roa naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy. Izay nahitana ny mpitondra ny kodiaran-droa tsirairay avy. Nahitana fahasimbana ihany koa ireo moto noho ny fianjerana sy ny tranga. Raha ny fanazavana voaray, fandehanana mafy sy tsy fitandremana eo amin’ny mpamily ny antony nihavian’ny loza.
Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny avy amin’ny polisim-pirenena izay nisahana ny fifamoivoizana teny an-toerana. Noentina nihazo ny tobim-pahasalamana akaiky azy indrindra ireo niharam-boina taorian’izay.
Entanina hatrany ny mpampiasa lalana sy ny mpamily rehetra mba hanaja ny hafainganam-pandeha, mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana tahaka izao.
Mino




