Hitohy amin’ny alahady 2 novambra ho avy izao ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, “XXL Top 12”, taranja rugby, rehefa niato nandritra ny telo herinandro. Fihaonana miisa telo no voalahatra amin’izany. Anisan’ny lalao andrasan’ny rehetra ny fifanandrinan’ny FTM Manjakaray (Dakar) sy ny 3FB Fahasalamana. Raha ny fifanandrinana teo amin’ny roa tonta, tsy mbola nandresy an-dry zareo Dakar ny ekipan’ny minisiteran’ny Fahasalamana tao anatin’ny 5 taona izay. Eto izany no hiezaka hanala vela ny 3FB. Heverin’ny rehetra nefa fa mbola hipetraka ny lojika amin’ity. Efa manantombo amin’ny fahazaran-dalao mantsy ny ekipan’i Manjakaray, na ao anatin’ny fanamboarana ireo mpilalaony koa aza izy ireo, amin’izao fotoana izao. Toy izany koa ny 3FB izay mbola manazatra ireo mpilalao vao nantsoiny hanatevina azy ireo.
Etsy ankilany, hifandona ny US Cheminots (Besetroka) sy ny TFA Anatihazo (Pilokely). Fihaonana hiendrika famarananakely ihany koa ny an’ny roa tonta. Raha ara-taratasy aloha, mihoatra ny zava-bitan’ny Besetroka ry zareo Pilokely. Na izany aza, hiezaka handavo ity ekipa malaza ho mafy ity ry zareo Cheminots. Mialoha io, hifampitana amin’ny Cosfa (Bebaoty) ny Mang’Arts Manjakaray. Hanokatra ny lalao rehetra ny andro voalohany eo amin’ny D1, vehivavy, hifanandrinan’ny RCTS Soavimasoandro sy ny FTFA Antohomadinika.
Tompondaka




