Hotanterahina ny sabotsy sy ny alahady ho avy izao, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus Stadium By-Pass, ny fifaninanana baolina kitra ho an’ny sokajy zandriny U15. Fihaonana karakarain’ny Associations des jeunes entraineurs actifs (AJEA). Ireo klioba manana ny taratasy fanamarinana fijoroana sy ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany.
Raha ny vaovao navoakan’ny pejy ofisialin’ny CFFA Andoharanofotsy, omaly, tsy raikitra indray ilay lalao ara-pirahalahiana izay hikatrohan’izy ireo amin’ny ekipa voafantin’i Boeny sy ny mpilalaon’ny Fosa Juniors Boeny. Notsiahivin’izy ireo fa mifanindry amin’ilay fifanintsanana diviziona nasionaly ity lalao ity ka izao naverina izao indray.
Araka ny fikarohana natao omaly, hanangana kianja eny amin’ny avo eny, i Arabia Saodita mba hahafahana mandray ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny taona 2034. Tsiahivina fa efa manana vina ambony ny hampiakatra ny lentan’ny baolina kitra any aminy, ry zareo saodianina, ary miezaka maka ireo mpilalao kalaza. Efa mifanintsana any an-toerana moa ry Christiano Ronaldo, Coman, Mané, Benzema.




