Fandraisana ny traboina : Napetraka ny tranolay miisa 20

Aman-jatony tafo no niharam-boina tao anatin’ny firehetana nitranga nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo. Fiaraha-misalahy teo amin’ny mpamonjy voina sy ny vahoaka no nahafahana nifehy sy namono ny afo. Trano lay miisa roapolo no natsangana vonjimaika niaraka tamin’ny BNGRC hamonjena ireo traboina mandritra ny 10 ka hatramin’ny 15 andro.
Nanolotra vary sy kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro ho an’ireo tsy manan-kialofana ny Fiadidian’ny Fanavaozana ny Repoblika. Noraisin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka an-tanana ny fitsaboana sy fanomezana fanafody maimaimpoana ireo traboina. Anisan’izany ny mpivady sy ny zazakely may ary vehivavy iray sempotra. Nanome sekoly hitobian’ireo vehivavy bevohoka sy kely anaka kosa ry Masera.
Efa mandeha ny fanadihadiana mba hahitana ny marina mahakasika ny fototry ny afo ary mbola eny an-toerana ireo mpitandro filaminana manohy ny fanaraha-maso sy fandrindràna ho fiarovana ireo traboina.
“Rano sy vary isika”, hoy ny Kolonely Rabearimanana Lucien, raha nijery ny zava-misy teny an-toerana. Nanentana ny amin’ny firaisankina sy ny fitandrovana ny fahadiovana sy nampitandrina amin’ny mety fanararaotana eo anatrehin’ny tranga izay niseho izy.

Vonjy

Partager sur: