Hotanterahina eny Maibahoaka Ivato, ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra ho avy izao, ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tsipy kanetibe, sokajy Senior, lehilahy, olon-telo miaraka. Fifaninanana karakarain’ny federation sport-boule malagasy (FSBM). Hanana ny lanjany goavana ity fifaninanam-pirenena ity satria hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, hatao any Mauritanie, ny 22 ka hatramin’ny 28 novambra ho avy izao, izay voalohany eo. Tsiahivina fa ireo mpilalao manana ny kara-pilalaovana ara-dalàna ihany no afaka handray anjara amin’izany.
Ankoatra izay, hisy koa ny fifaninanana ho an’ny sokajy vehivavy sy ny zandriny ary ny Vétérans. Hahazo lelavola 1 tapitrisa Ar ny ekipa ho tompondaka amin’ireo sokajy telo ireo, raha 500 000 Ar ny faharoa ary 250 000 Ar ny an’ny fahatelo sy fahefatra. Mandra-piandry izany, fantatra fa ho tonga eto an-tanindrazana, amin’ny sabotsy ho avy izao, ny delegasionina malagasy avy niatrika ny ho tompondaka maneran-tany sokajy Junior. Tsiahivina fa nandrombaka ny medaly volamena ny olon-droa miaraka, lahy sy vavy, ary medaly volafotsy ny olon-telo miaraka, lahy sy vavy.
Ankoatra izay, miarahaba an’Andriamampiadana Mahefa, minisitry ny Paositra, ny tontolon’ny tsipy kanetibe. Mpilalao ity taranja ity ary efa tompondaka maneran-tany mantsy ingahy minisitra.
Tompondaka




