Tsy takona hafenina intsony ny firaviravian-tanan’ny mpitandro filaminana, hany ka zary lasa mampirongatra ny tsy fandriampahalemana izany. Efa mihatra isam-baravarana, manerana ny fokotany 138, anivon’ny kominina ambonivohitr’i Toamasina izany. Vokany, tsy naharitra ka niloa-bava sy nampiaka-peo no sady nikiakiaka ny mpirakidraharaha eo anivon’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny Fitsarana ambony Toamasina, ny talata maraina, tetsy anoloan’ny Lapan’ny fitsarana. Manoloana izany rehetra izany, miantso ny fandraisana andraikitry ny mpitondra fanjakana mahefa manoloana ny herisetra mianjady amin’ ireo mpirakidraharaha tato ho ato izay tonga hatramin’ny fanafihana mahery vaika any an-tokantrano arahina fampiasana fitaovam-piadiana izy ireo. “Tsy ekena intsony ny tsy fandriampahalemana, mandraisa andraikitra ianareo nomena fahefana amin’izany fampandriana fahalemana ny tanàna izany”, hoy hatrany izy ireo. Raha hiverenana dia niharan’ny fanafihan-jiolahy misaron-tava ny lehiben’ny mpirakidraharaha “greffier en chef” eo anivon’ny sampam-pitsarana ambaratonga voalohany, ny alakamisy 23 oktobra lasa teo ary naratra mafy. Very tamin’izany ny solosaina sy finday avo lenta miisa efatra tao an-tokantranony, ao amin’ny fokontany Tanambao fahadimy.
Sajo




