Vondrona eoropeanina : Miantso ny hamaliana ny hetahetan’ny tanora

Naneho fahavononana hifanakalo hevitra sy hidinidinika amin’ireo minisitra eo anivon’ny governemantan’ny praiminisitra, Rajaonarivelo Herintsalama, ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina. Ani­san’ny tena andrasan’izy ireo ny momba ireo tanora sy ny sosialim-bahoaka. Nivoitra tamin’ny fanambarana, omaly, fa efa mitsangana izao ny governemantan’ny Fanavao­zana ny Repoblikan’i Mada­gasikara. «Asa lehibe sy goavana ny miandry ity ekipa ao anatin’ity governemanta vaovao ity amin’izao fotoana izao, mba hampandrosoana ny sosialy sy ny toekarena ary ny firenena sy ny vahoaka mala­gasy» hoy izy ireo.
Nambaran’ny UE fa miainga sy mifototra amin’ireo toromarika politika napetraky ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël izany. Anisan’izany, ohatra, ny fametrahana ny fitondrana tsara tantana sy ny fanajana ny fanjakana tan-dalàna. Manampy izany ireo andraikitra ara-bola sy ny ady amin’ny kolikoly. Natsidik’izy ireo koa ny tokony hivononan’ny go­vernemanta hanokatra sehatra ifampiresahana mivantana. «Mikendry indrindra ny hamaliana ny hetahetan’ny vahoaka, indrindra fa ireo tanora», hoy ihany ny eo anivon’ny Vondrona eoropeanina.
Tsiahivina fa anisan’ny antsoantson’ireo tanora teny an-kianja, nanerana ny Nosy, ny hijerena ny lafiny fampianarana sy ny fotodrafitrasa, ankoatra ny olana iombonana eo amin’ny jiro sy rano.

Synèse R.

Partager sur: