Handball – “Mada senior 2025” : Nisongadina ny ekipan’Atsinanana

Nanomboka omaly, tao amin’ny Kianja mitafo Arena Sport Toamasina, ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja handball. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy Senior, lahy sy vavy. Nisongadina avy hatrany ny ekipan’Atsinanana, satria nivoaka ho mpandrey avokoa ireo ekipa lahy misolo tena azy ireo. Anisan’izany ny HTHB, nanilika ny CJST, tamin’ny isa mazava 53 no ho 13, teo amin’ny lehilahy, sokajy “B”. Adin’ny samy ekipan’ Atsinanana moa ny azy roa tonta ka efa mifankahalala fomba filalao, saingy nanantombo teo amin’ny tanjaka sy ny traikefa ry zareo HTHB. Ho an’ny vondrona “A” indray, mbola nahazo fandresena ihany koa ny Littorale SC Atsinanana raha nandavo ny ASMO Menabe, tamin’ny isa 30 no ho 16. Hita efa zatra lalao goavana ny Littoral raha mitaha amin’ireo mpilalaon’i Menabe. Ratsy fanombohana kosa ny teo amin’ny vehivavy. Lavon’ny Sifaka HBC Amoron’i Mania, tamin’ny isa 30 no ho 16, ny HBC TB5 Toamasina. Hitohy anio ny fifanintsanana eo amin’ity fifaninanam-pirenena amin’ny taranja handball ity.

Tompondaka

Partager sur: