Maloto ny rivotra iainana : Mahazo vahana ny sery sy ny kohoka

Mahazo vahana ny sery miaraka amin’ny kohoka amin’izao fotoana izao, araka ny fanazavan’ny mpitsabo eto an-dRenivohitra, omaly. Maloto ny rivotra fohina eto sady mainabe ny atmosfera ka sahirana ny olona marefo. Ireo zaza madinika sy ny zokiolona no betsaka manatona mpitsabo, nandritra ny roa herinandro izay. Maina sy mangitikitika ny tenda sy ny orona ary mitarika fisian’ny ranon-delo, afaka andro vitsivi­tsy. Indraindray koa, mena ny maso ary misy ranomaso mandeha. Ireo tsy mazoto manatona mpitsabo manao evoka amin’ny ravin-kazo toy ny kininim-potsy sy romba isaky ny hariva. Ilaina anefa ny fizahan’ny dokotera tsy hampihombo ny aretina.
Ireo manana aretin’ny taovam-pisefoana mitarazoka (sohika) moa dia voatery mampiasa fanafody isan’andro hisorohana ny fahasemporana.
Torohevitry ny teknisianina ny famendrahana rano ny tokontany hanamandoana ny atmosfera. Sarotra anefa ny fahazoana rano ka na rano efa avy nanasana lamba na nampiasaina avy ao an-dakozia mety avokoa. Ilaina koa ny fisotroana rano matetika mandritra ny tontolo andro, ka rano tsotra tsy asiana siramamy no mety indrindra.

Vonjy

Partager sur: