Notafihin’ny dahalo miisa sivy, mirongo fitaovam-piadiana, tany amin’ny lalam-pirenena fahefatra, afakomaly alina, ny taksiborosy miisa roa. Nitranga teo Antananarivokely, atsinanan’i Bevilany, Maevatanàna, ny loza. Nanao sakan-dalana ireo dahalo ary nandroba ny mpandeha tao anatin’ny fiara. Novelesin’ireo olon-dratsy tamin’ny vodi-basy ny mpamily fiara ka naratra mafy. Ramatoa iray nipetraka teo alohan’ny fiara ihany koa voadaroka. Lasan’ireo dahalo, nandritra izany, ny finday telo sy vola 2 tapitrisa Ar mahery an’ireo mpandeha. Ankoatra izay, mpandeha iray nokasain’ireo dahalo natao takalonaina saingy tonga tampoka ny fiara mpaka marary, ka navotsotry ny dahalo izy. Lasa nitsoaka tamin’ny fiara izy ireo avy eo.
Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao Maevatanàna. Nisy nitifitra ihany koa ny fiara nitondra ireo zandary. Saika nahazo ny kodiarana ny bala saingy tafavoaka ny lalana ny fiara ary nidona tamin’ny tranon’olona. Natao ny fikarohana sy fanadihadiana taorian’ny tranga. Natao ny fanarahan-dia, tratra omaly maraina ny dahalo iray tamin’ireo nanafika. Hita tany amin’ny 20km miala ny toerana nisehoan’ny fanafihana izy io. Hita tany aminy ireo finday very sy vola 800 000 Ar tamin’ireo vola voaroba. Mbola mitohy ny fikarohana ireo namany tafaporitsaka. Miantso ny mba hametrahana mpitandro filaminana amin’ny lalam-pirenena ny mpandeha sy ny mpitatitra hisorohana ny tranga toy izao.
Mino




