Echecs: Miatrika « coupe du monde » i Fy

Tontosaina any Inde, nanomboka ny 30 oktobra lasa teo, hatramin’ny 27 novambra, izao, ny fiadiana ny amboara maneran-tany « Fide », taranja échecs. Tsy diso anjara amin’izany i Madagasikara fa manana an-dRakotomaharo Fy Antenaina izay miatrika ity fifaninanana ity any an-toerana. Malagasy mpilalao échecs, laharana voalohany i Fy. Azo lazaina ho miady mafy amin’izao fotoana izao, ao anatin’ny fanombohana ny fifaninanana, na dia somary nisedra fahasarotana kely aza ny tenany tamin’ny fihodinana voalohany, nanoloana ny mpifanandrina taminy, izay teratany Rosianina.
Tsiahivina fa ankoatra ny fanandratana ny taranja échecs malagasy, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, natao indrindra hitiliana izay mpilalao mendrika maneran-tany, ka hahazo ny tapakila 2 na 3, ho amin’ny “Coupe des candidats” 2026 ity fiadiana ny amboara maneran-tany, tanterahina any Inde ity. Vonona ny hiady izany, ny Malagasy mpilalao, Rakotomaharo Fy. Marihana fa efa fifaninanana iraisam-pirenena maro no natrehany ary anisan’ny fifaninanana goavana indrindra ho azy ity fiadiana ny amboara maneran-tany ity.

Mi.Raz

Partager sur: